Psalms 49

Ny fahafoanan’ ny harena amam-boninahitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo.

1

2Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao: 3Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo. 4Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ ny foko dia fahalalana. 5Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga. 6Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy, 7Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany? 8Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony, 9(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay), 10Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka
Na: ho tratry no lò.
.
11Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ ny hafa. 12Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny
Na: Ankalazaina ny anarany eny amin’ ny tany maro.
.
13Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. 14Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.] 15Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
, ka tsy hisy fonenany.
16Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
, Satria handray ahy Izy
Na: Rehefa azony aho.
. [Sela.]
17Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; 18Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. 19Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona ― Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao ― 20Dia hankany amin’ ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny. 21Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
Copyright information for Mg1865